Hello world!

Ny tia tanindrazana amiko, manatsara ny ahy, ny manodidina ahy, ny tanànako. TSY MILA MILAHATRA AN-DALAMBE, tsy mila miseho haino aman-jery. Miasa mangina, manamboatra fiarahamonina, manatsara ny efa misy, mizara fahalalàna, mamokatra eny fa na dia ara-tsaina fotsiny aza, mitady fomba hampandrosoana ny manodidina.

Ry tanora, mandraisa andraikitra aza miandry tolorana, aza miandry ora sy andro fa atombohy. Ao amin’ny tenanao (hamafiso ny fahalalàna amin’ny alalan’ny vaky boky…), ao amin’ny fianakavianao (inona no afaka hiaraha-manao : asa-tanana madinika araka ny fanomezam-pahasoavana misy, fikambanam-pianakaviana…), ao amin’ny fiarahamonina misy anao (mpinamana mitambatra mampianatra ny zanakin’ny sahirana…) sy ny sisa. Tsy mila vola izany rehetra izany ary azonao atao amin’ny fotoana rehetra. Tsy mbola manana aton’asa ve ianao nefa manana fotoana ? Ny fotoana dia efa vola ho anao saingy tsy mivaingana izany. Azonao avadika ho fampitomboana ny fahaizana efa anananao ny fotoana. Mahaiza misafidy ny sori-dalàna tianao haleha. Manomboka amin’ny akaiky indrindra manantona tsikelikely ny lavitra tiana ho tratrarina.

Ny olona rehetra dia miasa daholo eny fa na dia ny Reny mikarakara tokan-trano aza fa saingy tsy sandaina fotsiny izy ary raha sandaina dia mitovy amin’ny vola hanakaramana ireny mpanampy an-trano ireny ny vola ampidiriny ao an-trano.

Misy fizaràna tsara iray ity homena ny rehetra. Jereo fa misy hifandraisany sy hifampiankinany ireto toko telo ireto : Ny ao an-trano, ny asa-tanana, ny fiompiana sy fambolena. Misy fitaovana tsotra ilain’ny ao an-trano tokony ho vitan’ny mpanao asa-tanana, ary ny akora ampiasain’ny mpanao asa-tanana tokony hovokarin’ny mpamboly.Ary misy asa-tanàna tokony ho jifain’ny isan-trano.

Tandremo, vidiana lafo ny fotoana (hiasana, hanaovan-javatra, hialana voly, hakana aina…). Jereo izay laharam-pahamehana sy manan-danja. Tsy ho fitadiavam-bola ihany fa misy asa atao tsy sandaina vola kanefa mahatsara ny fiainana.

Fa izany Ramose Lucien BOTOVASOA izany, efa zato taona taty aorina mbola tsy maty ary tsy lefy ny zavatra nataony. Tsy n’izaho izaho fa ny asany no nataony (nijoro mandrakariva tamin’ny fahamarinana, nanetry tena, nizara fahalalàna, nazoto nivavaka, nampiroborobo ny fikambanana masina nisy azy…). Mialohan’iny fanandratana azy ho olon-tsambatra tamin’ny faha dimy ambin’ny folon’ny volana aprily taona valo ambin’ny folo sy roa arivo iny dia maro ireo fahatsiarovana na fankalazana ny nahafatesany efa nataon’ny olona teo an-tanàna nisy azy. Koa herezo ary ry tanora namana isany, aleo mitolona ho amin’ny fanatsarana ny efa misy. Tsy mila mitady lavitra fa ny manodidina anao. Rafilandy 24/04/2018