Ny famokarana Rakoto tsy hoe : miasa tany ihany dia mamboly avy eo
Fa mba jereo, ny asan’ireo Mpampianatra ireo
Tsy vitan’ny mahay fa mila mitady fomba fampitàna
Hahaizan’ireto zanakin’ny tanàna, ny abidia sy ny kajy
Kanefa anie jereo, tsy misy mpankasitraka, na izaho na ianareo!
Amiko, ireo Mpampianatra ireo no mpamokatra tena hikoizana
Tsy mitandro hasasarana, asa mendrika feno fahafoizana
Amiko, raha hampandroso firenena, ireo Mpampianatra jerena
Aza avela mahonena ho trotraka ambony ihany
Ireo no manala ny habadona mandrendrika ny tany.
Raha firenena ohatra antsika mbola marisarisa ny fanodinana akora
Manjaka ny ramatahora sy ny didiko fehy lehibe, toa tsy ho moramora…
Aleo mampita fahaizana, manitatra fahalalàna hahaizana manavaka ny ratsy sy ny tsara
Ny mpamokatra an’ireo, ny Mpampianatra ihany
Asa soa tsy manam-paharoa, mampianatra ny tsara, mampianatra ny soa.
Mampianatra an’i Kala, mampianatra an’i Zo…
O Rakoto ô! Mbola asa famokarana ihany koa
Ny manoratra, mandahatra ny teny tsy hanam-paharoa
Ho fanoitra hanova ny fisainana, hanatsara ny fiainana
Hanoroana ny hafa, ny lalana hizorana, ny tanjona hifotorana
Ireny asa famokarana amina haino aman-jery ireny
Dia niandoha avy amin’ny eritreritra sy nofinofy, ka lasa teny
Lasa sary, lasa tantara mamelona ny saina efa maharary…
O Rakoto ô! Izay rehetra atao ka manabe ny olona
Manampy azy hitolona sy hikononkonona
Ho henika fahavononana hiatrika fiainana
Dia efa famokarana, mampijoro ny hafa
Manatanjaka ny saina hitondra fivoarana…