MANAHY AHO
Manahy aho fa… ny fisandratana 2030
Hampiakatra ny solika ho avo telo heny ny roa arivo Hampandeha an-tongotra ny mponin’Antananarivo
Ka ho miliara dera ireo mpandraharaha mpanera
Manahy aho fa… ny finiavana hahatafavoaka an’i Madagasikara Hamoaka indray ireo sisa kitay any ambanivohitray
Ka hosoloina fitaratra mijery masoandro
Ny fanamasahana ny kaly isan’andro
Manahy aho fa…. tsy misy ho sahy Hanao tsia… raha manaiky ny besinimaro
Hisafidy ny fahamarinana hialana amin’ny fahantrana
Fa aleo miray tsikombakomba miara mikolikoly amin’ny daholo be
Manahy aho fa… mandritra ny andro fampielezan-kevitra
Ho sodokan’ny androany sy ny eo no ho eo ihany ka ho simba Ny ampara-hatokin’ny Malagasy ka ny safidy ho tandrevaka Satria hifidy loko izay hita fa marevaka
Manahy aho fa… Izay filoha ho lany eo
Mbola hampanjaka risoriso izay mamotika ny ampitso
Ka… ho mbola, ho saribakolim-bazaha lalaovin-tanàna
Havia sy havanana.
Manahy aho fa… tsy handry fahalemana i Madagasikara Raha mbola be karama noho ny mpampianatra ny mpitandro ny filaminana
Ka mbola mihinana tsikelikely, mamelively, mandoto manoto amin’ny tandroka ireo valala kely vozona mitrongy voaozona. Manahy aho fa… raha mbola maro ny mitonantonana
Miandry vatsin’ankohonana vao homana
Dia mila miomankomana
Fa betsaka ny ho fatin’ny hanohanana mialoha ny mitatao vovonana
Manahy aho fa… ho ritra ny aingam-panahy
Satria mandeha mafy loatra ireo izay tia hivoatra
Ka mandrakotra ny maso sy ny sofina
Ka malaky mampadroatra ny ronono tsy notsofina
Manahy aho fa… ny teny Malagasy mety tsy hilamina
Raha mbola miteny teny indramina, raha mbola lany andro mitady izay hoanina
Ka tsy hanam-potoana hamoronana SLAM!
#Rafilandy be fiahiana 03/07/2018 – 14:22